RN2 : Tapaka indray nandritry ny roa andro
Teo Marovoalavo no nisy kamiao niharan’ny olana ara-teknika. Nitsivalana teo ampovoan’ny arabe ary sady tsy afaka nandroso no tsy afaka nihemotra ny fiara teo aloha sy taoriany. Tapaka arak’izany indray ny lalam-pirenena. Sorena ireo mpanao vakansy ary tezitra koa ireo mivelona amin’ny fitaterana. Ireo mponina teo amin’ny manodidina no hany nahazo tombony satria lasa nandeha be tampoka ny fivarotana hani-masaka. Nanomboka ny alin’ny alahady no tapaka ny làlana ary omaly atoandro...