RN 7 ANTANANARIVO-ANTSIRABE : Ezahina vitaina amin’ny faran’ny taona ny ampahan-dalana sasany
Ambolana no efa niaina tao anatin’ny vovoka ireo mampiasa ny lalam-pirenena fahafito Antananarivo-Antsirabe amin’ny ampahan-dalana maro noho ny fanamboarana. Mbola hiampy volana maromaro izany satria araky fantatra dia ezihina hovitaina amin’ny faran’ny taona izao ny ampahany amin’ireo lalana asiana fanamboarana ireo izay mirefy 100km. Ny 20 km amin’io kosa no voalaza fa ho vitaina hatramin’ny volana jona ho avy izao. Tsiahivina fa ny orinasa Sinoa zhongmey Engeenering...