Ambatobe : Vazaha mamo nandona moto roa
Vao ny faran’ny herinandro lasa teo no nahafaty olona ny lozam-pifamoivoizana teo amin’ny fiakarana mankany Ambatobe raha avy eo Nanisàna, ny alatsinainy teo koa dia nisy iray hafa nitranga. Fiara tsy mataho-dàlana, Toyota Prado, izay nentin’ny lehilahy teratany vahiny iray no tsy tafajanona ara-potoana ary nifatratra tany amin’ny kodiaran-droa miisa roa samihafa. Naratra ireo mpandeha moto roa. Namofona toaka ny vazaha sady nibaradaka ary dia mazava hoazy fa noho ny hamamoana no...