Fernand Cello : Didim-pitsaràna anio
Anio no hivoaka ny didim-pitsaràna izay nanenjehan’ny tale jeneralin’ny sekoly manofana ho mpandraharahan’ny fonja ao Antentezambaro an’i Fernand Avimanana dit Fernand Cello. Raharaha iray amin’ireo fitoriana telo samihafa hanenjehana ity mpanao gazety ao amin’ny Basy Vava sy mpisintona lakolosy fanairana amin’ny tambajotra sosialy io hivoaka anio io ny didy. « Manana tsirim-panantenana betsaka aho fa ho afaka ny olona arovako satria nandritry ny raharaham-pitsaràna dia hita...