Talata Volonondry : Faniratsirana mpitandro filaminana, roa lahy nadoboka am-ponja
Roa lahy no voatery nosamborin’ny zandary avy tetsy amin’ny tobim-paritra Talata Volonondry ny faran’ny herinandro teo, noho ny resaka faniratsiràna mpitandro filaminana manao ny asany. Tsy nety nanaiky mora ny lamina sy ny zavatra notakian’ireo mpitandro filaminana nisava azy izy ireo, raha ny fanazavana azo ary vao mainka aza moa nilaza ho nahafantatra mpitsara sy manamboninahitra ambony ka rafitra namalivaly ireto zandary. Teo no ho eo ihany dia nosamborina sy natao famotorana izy...