Fisolokiana anaty FB : Efa-dahy nadoboka am-ponja
Efa « high level » araka ny fomba fitenin’ny tanora ny nataon-dry zalahy ireto ! Anaran’ireo mpikambana ao anaty Governemanta no hamoronan-dry zalahy pejy, ka entina hisolokiana olona. Tafiditra tao anatin’izay mihitsy ny anaran’Atoa Ministry ny Filaminam-bahoaka. Ny eo tratra, ny hafa manao ihany. Efa maromaro ihany ireo olona tratran’ny mpitandro filaminana, mahakasika ity fisolokiana anaran’olona ambony ity, tao anaty tambajotra sosialy tao. Ny mahagaga dia mbola misy sahy...