Fifamoivoizana eto Toamasina : Mikorontana tanteraka vokatry ny fahamaroan’ny « cyclo-pousse »
Tena mikorontana tanteraka ny lafin’ny fifamoivoizana noho ny fahamaroan’ny « cyclo-pousse » eto Toamasina ; hany ka betsaka ireo lozam-pifamoivoizana ateraka izy ireny eny an-dalana eny mazana. Tena voafehin’ny mpitandro filaminana mandrindra ny fifamoivoizana intsony izy ireo ka manao izay saim-pantany eny an-dalam-be rehetra eny. Vokatra izany dia ny ain’ny vahoaka mampiasa azy ireny saika isan’andro amin’ny fitanteraka no mizaka ny tsy eran’ny aina saika...