Ny Filoha Andry Rajoelina. Fepetra ilaina sy anànan’izany hoe Praiminisitra izany
« Rediredy ka ilaina », hoy ny hira anankiray izay. Izay tokoa ny andraisan’ny sasany ny atao hoe Demokrasia. Dia ny fahafahana miteny na manoratra (« Liberté d’expression ») izay saim-pantatra. Saingy adinon’ireo hatrany fa izany Zo (« Droit ») izany mitaky Adidy (« Devoirs ») hatrany. Tsy misaraka toa rano sy vary ireo. Ka rehefa mihaom-pefy sy enjehin’ny Lalàna manan-kery eto amin’ny Tany sy ny Fanjakana ry zareo dia malaky miantso vonjy sy « didy...