Antanimbary Maevatanàna : Kamiao tapaka hisatra, nivadika, maty ny mpamily
Hatairana ny an’ireo mponina manodidna teny amin’ny tanam-baovao, fokontany sy kaominina ambanivohitra Antanimbary, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna rehefa naheno sy nahita ny lozam-pifamoivoizana mahatsiravina niseho teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra ny alin’ny faha 03 May taona 2025 lasa teo iny, tokony tamin’ny fito ora mahery telopolo minitra tany ho any. Ny angom-vaovao voaray hatrany no nahalalana fa avy any Mampikony hihazo an’Antananarivo ity fiara kamiao...