Toliara : Taitra ny olona, hita velona ilay olona nalevina
Roa taona taorian’ny fandevenana, tonga tao an-tranon’ny mpampiasa azy ilay lehilahy. Taitra ny olona ary nahoraka tao an-tanànan’i Mahaboboka, distrikan’i Sakaraha, ny zava-nitranga. Nantsoina ny fianakaviany ary akory ny hafalian’ireo raha nahita azy velona soa aman-tsara sady salama. Teo amin’izay no nivoaka ny ampamoaka. Roa taona talohan’izao mantsy dia nolazaina fa maty io olona io. Ary dia nisy mihitsy ny fandevenana. Raha zohina izany ny tena zava-nisy dia olon-kafa io...