Antsirabe : Olona roa maty voafaokan’ny fiara
Ny andron’ny krismasy teo, nandriaka ny rà tao an-drenivohitr’i Vakinankaratra tao. Aina roa be izao no nafoy tao anatin’ny indray mipi-maso monja : ramatoa iray 66 taona sy zaza kely vao 9 taona. Tsy vitan’ireo fa mbola nisy lehilahy iray 47 taona ihany koa naratra mafy. Nitondra bisikileta ity farany. Ireo no vokatry ny loza mahatsiravina nitranga teo amin’ny fidinana Voirie, hihazo ny orinasa Star iny, tao Antsirabe renivohitra, tokony ho tamin’ny telo ora tolak’andro tany...