Fetin’ny Noely teto an-drenivohitra : Efatra ny faty hita, 65 ny nosamborina
Asan-jiolahy, fitondrana zava-mahadomelina, fahamamoana an-dalambe, … Nahatratra hatrany amin’ny 65 ireo olona voatery nosamborin’ny pôlisy raha ny teto an-drenivohitra manokana, nandritra iny sasakalina sy ny fetin’ny noely lasa teo iny, araka ny fampitam-baovao avy eo anivon’ny pôlisim-pirenena. Tetsy andanin’izay, nisy ihany koa ny fahitana vatana mangatsiaka tetsy sy teroa, izay nampandrenesana azy ireo. Tamin’iny fety iny dia nahatratra efatra ny isan’ireo olona hita...