Oniversiten’i Fianarantsoa : Nirehitra ny « Cité »n’ny mpianatra
Naharitra ora roa be izao no namonoana ny afo sy nifehezana izany tsy hitratra intsony. Ny alin’ny sabotsy hifoha alahady teo dia nitrangana hain-trano goavana tao amin’ny trano fonenan’ny mpianatra teo anivon’ny oniversiten’Andrainjato ao Fianarantsoa. Araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana dia tao amin’ny « Cité Préfa N5 » no niandohan’ny afo ary nandravarava efitrano am-polony maro. Miisa enina teo ireo efitra potika sy may tanteraka, niaraka tamin’ny entana...