Fisolokiana teto Toamasina : Olona an-jatony no voan’izany
Eo am-panaraha-maso ity mpisoloky gaigy lahy ity ny mpitandro filaminana amin’izao fotoana izao, izay voalaza fa fisolokiana avo lenta nitranga ny taona nivalona 2024 iny. Lehilahy iray maka vola aman’olona (tombola) fa hoe hisy zavatra ho azo any aoriana. Raha ny fanazavana mikasika ity fisolokiana avo lenta teto Toamasina ity dia olona 200 eo ho eo no tratran’izany, izay misy tapakila vidiana 5.000 ariary hahazoana vary 15 kilao, miampy menaka, savony. Mbola nasainy nitondra lovia sy...