Moramanga : Fanalamanga Velaran-tany 12ha norakofana zanakazo
Nanatanteraka fambolen-kazo tao Analabe ny orinasa Fanalamanga ny herinanro lasa teo. Velaran-tany 12 ha mahery izay efa nohasaina tamin’ny « tracteur » no norakofana ireo karazan-kazo haingam-pitombo toy ny bambou, eucalyptus hybride sy eucalyptus kruseana ary hazo zanatany bonara. Hetsika izay tafiditra indrindra amin’ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny taom-pambolen-kazo 2024 sady fanokafana ny fankalazana ny jobily faha 50 taona nanomezan’ny fitondram-panjakana ny...