Fitifirana fonksionera roa : Manahy mafy ny fianakavian’ny maty
Tifitifitra tetsy Ambohimahatsinjo-Imerinkasinina ary nahalavo mpiasam-panjakana roa. Samy nahatsiaro iny heloka bevava izay nitranga ny 15 novambra iny ny mpanara-baovao. Raha fintinina dia orinasa sinoa iray eto an-drenivohitra no nosavain’ny tompon’andraikimpanjakana ny momba ny sora-bola (bilan). Nolazaina fa tsy nisy izany vokatr’izany dia voatery nametraka fitoriana ny mpanao fitsirihana avy amin’ny fanjakana izay fonksionera roa samihafa. Habibiana tsy roa aman-tany anefa no...