Avaradoha : Môto may kila forehitra
Karaom-by sisa no navelan’ny afo tamin’ilay môtô, miteti-bidy an-tapitrisany maro. Nirehitra tetsy amin’ny lalana rarivato, mampitohy an’Ampasampito sy Besarety iny, ao ambadiky ny hôpitaly miaramila etsy Soavinandriana, omaly maraina. Tsy nisy ny aina nafoy na ny naratra saingy ny fananana kosa no potika tao anatin’ny indray mipi-maso monja. Tsy fantatra mazava hatreto izay tena antony nahatonga ity loza ity, fa araka ny vinavinan’ireo mpitazana dia tsy maintsy ho tselatr’afo...