Mandoto : Maty voatifitra Lekely, dahalo rain-dahiny
Mbola faritra mena amin’ny asan-dahalo ny distrika Mandoto, saika ho isan’andro ny asan-dahalo any an-toerana. Tsy voatery hangalatra omby maro intsony ireo dahalo ankehitriny fa lasa manao rainizavona ihany koa. Ny alin’ny zoma 14 jona lasa teo, tokony ho tamin’ny 11 ora alina no fantatra fa nisy omby very tao Bemahatazana fokontany Antanambao Ambary distrika Mandoto. Tsikary ny tompon’omby izany ka raikitra ny antso lava, vory maro ny fokonolona niaraka tamin’ny zandary avy...