Imerintsiatosika : Mpanangom-bokatra voatafika
Tamim-pitaka tanteraka no nahafahan’ireo olon-dratsy niditra tao an-tranon’ity mpandraharaha, mpanangom-bokatra iray tao Imerintsiatosika ity sy nanafihan’izy ireo azy, andro vitsy lasa izay. Raha ny voalazan’ireo mpanao famotorana dia mody nila vonjy sy nitady asa tao amin’ity tokatrano ity izy efa-dahy. Mazava ho azy, tsy nisalasala ilay tompon-trano nampahandro sakafo azy ireo ary nampandroso tao an-trano. Kanjo vantany vao tafiditra izy ireo, avy hatrany dia niezaka nidaroka...