Tonia mpampanoa lalàn’ny fitsarana TPI Toamasina : Miverina ny fanafihan-jiolahy mitam-piadiana eto Toamasina
Nandritra ny famorian’ny tonia mpampanoa lalàna ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina, Atoa Vahiny Yve Sandro, dia nametraka hafatra mafonja tamin’ireo OPJ, na “Officier Police Judiciaire”, teo anivon’ny polisy – zandary – miaramila – sampandraharaha ny varotra sy ny indostria – fadintseranana – sampandraharaha ny rano sy ny ala. Izay natao tao amin’ny efitranom-pitsarana eto Toamasina. Samy nahazo ny hafatra ho azy avokoa ireo sampandraharaha miara-dia ao...