Imerintsiatosika : Efa-dahy tratra am-bodin-kisoa
Raha ny resaka halatra omby no re hatraiza hatraiza, ny resaka halatra kisoa indray no voalazan’ireo mponina fa miha-mirongatra any amin’iny faritra Imerintsiatosika iny ary isan’ny mampikaikaika ireo mpiompy. Nanao ho vaindohan-draharaha izany tranga izany ny zandary tany an-toerana. Ka tamin’ny alalan’ny angom-baovao azon’izy ireo no nahafantarana fa misy olona mampiahiahy ho mpangalatra kisoa tao amin’ny tokatrano iray tao Ambodisaha, ao amin’ny kaominina Imeritsiatosika....