Faritra Fitovinany Ikongo : Mitohy ny fanaraha-maso ny tazomoka arahina tohana ara-tsosialy
Mitohy ny fanaraha-maso ny fivoaran’ny toe-draharaha arahina tohana ara-tsosialy ho an’ny mponina ao ao amin’ireo Kaominina saro-dalana ao Ikongo. Ho an’ny kaominina Ambatofotsy dia nafainganina ny fizarana karinem-pokontany , mitohy ireo asa iombonana, fanadiovana ny manodidina, sady ahazoana tohana ara-tsosialy. Tokantrano miisa 100 no nomena fehezankarona misy sakafo tohan’aina ,nozaraina CVO ihany koa ireo marefo ara-pahasalamana miisa 152. Ho an’ny kaominina Belemoka ...