Ankorondrano : Lavaka be jerem-potsiny nefa nitera-doza
Nitera-doza ilay lavaka be ao anatin’ny arabe etsy Ankorondrano. Ny antoandro mba hita ihany ilay izy da raha vao maizina ny andro dia betsaka ny nilatsaka tao ary tafasaoty raha fiara, raha misosa avy hatrany raha môtô. Efa amam-bolana ilay lavaka be no teo ary dia jerem-potsiny hatreto. Ireo izay tsy mahay tsianjery ny toerana (manelanelana ny Jesosy Mamonjy sy Néron) no tena voa matetika. Tsara be ilay làlana mantsy, kanefa misy lavaka be tampoka. Ny asabotsy teo dia fiara tsy...