Asan-jiolahy Ambalamanasy Toamasina : Manao ny ataony mihintsy ireo jiolahy, tokatrano telo tratra anatin’ny alina iray…
Tena hanjakan’ireo jiolahy mihintsy iny fokontany Ambalamanasy iny amin’izao fotoana izao. Ao anatin’ny alina iray dia tokantrano telo no nanaovan’ireo jiolahy ny asa ratsiny ary samy nahazoan’izy ireo zavatra avokoa. Efa henjana ihany koa ireo jiolahy mpanao izany vaky trano izany, satria nialohan’ny famakiana ny trano ataony dia tapahany ny tarobia mitarika amin’ny anjomara (alarme) fampiasan’ilay trano, sy ny tarobian’ireo fakan-tsary ny trano (video de surveillance) samy...