Bac tao Itaosy : Talen-tsekoly, prof sy sekretera nosamborina
Fa mankaiza ny firenena? Ireo mpitarika sekoly sy mpanabe indray no niditra an-tsehatra nanapoizina ny mpiadina bakalorea ! Tetsy amin’ny CEG Andranonahoatra omaly, tratra ambodiomby ny teti-dratsy nataon’ireo. Teto indray dia tsy “fuite de sujet” no nitranga fa kosa ilay laza adina mihitsy no naterina tao amin’ny mpampianatra fizika-simia ary nataony haingana ny valiny. Nipetrapetraka tsara ny lalao maloto. Misy sekretera maka ilay laza adina ary manatitra any aminy. Vitainy...