Antsalovana : Mpamongady saika voatafika, maty voatifitra ny jiolahy iray
Efa teo am-piomankomanana ny hanafika tranombarotra iray, mpamongady teny amin’iny faritra 67Ha iny mihitsy ireto andian’olon-dratsy ireto no tonga ny polisy. Raikitra ny ankisambotra ka iray tamin’izy ireo no voapaingotra. Saika mbola handeha hitsoaka kanjo voatifitra. Ny alin’ny sabotsy hifoha alahady lasa teo, nahazo antso ny teo anivon’ny kaomisaria foibe, tetsy Tsaralalàna ny amin’ny fisiana andian’olona maromaro hafahafa fihetsika teny amin’iny faritra Antsalovana,...