Androtra-Maevatanàna : Fiara nifandona olona niisa folo naratra, ny iray no tena voa-mafy
Ny alahady faha 21 jolay teo, tokony tamin’ny 02 ora maraina tany ho any no nisehoana lozam-pifamoivoizana indray ny teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra iny, teo amin’ny Pk 324 + 0,24 km, tany amin’ny toerana antsoina hoe, Androtra, any amin’ny kaominina Maevatanàna faharoa. Raha ny fampitam-baovao voaray teo anivon’ny polisim-pirenena eto Maevatanàna an-tampon-tanàna hatrany dia, Sprinter marika Mercedes-Benz Fourgon, mitondra ny laharana 6926 TCA avy any Antananarivo hihazo...