Andranonahoatra : Mpiadina « bac » tsy hita tany nanjavonana
« Niera handeha hivalan-drano ity mpiadina ity talohan’ny hanombohan’ny fanadinana ka tsy niverina intsony ». Omaly, tovovavy iray, mpiadina bakalorea no nanjavona tao amin’ny ivon-toeram-panadinana iray tetsy Andranonahoatra. Nikoropaka avy hatrany ireo tompon’andraikitra ary nampilaza ny zandary teny an-toerana. Tamin’io fotoana io ihany dia efa nandeha ny fikarohana rehetra, nanerana ireo ivon-toeram-panadidina teny amin’iny faritra Andranonahoatra sy ny manodidina iny. Tsy...