Anandronjia Maevatanàna : Mpitrandraka volamena, maty natelin’ny ranotrambo
Olona telo avy niasa volamena tratran’ny rano trambo, maty tsy tra-drano ny iray. Ny sabotsy faha-30 Novambra taona 2024 lasa teo, tokony tamin’ny iray ora sy sasany tolakandro tany ho any, tao amin’ny reniranon’Anandronjia, any Mahatsinjo avaratra, kaominina Maevatanàna faharoa no nahitana olona telo tratran’ny ranotrambo. Raha ny fampitam-baovao voaray marim-pototra hatrany dia olona niisa telo avy niasa teny amin’ny toeram-pitrandrahana volamena no nanampikasana handeha handro...