Ampefy : Tokantrano anankiroa notongavan’ny jiolahy
Tsy lasa lavitra dia efa voahodidina ireto olon-dratsy. Ny iray tratra, ny hafa tafaporitsaka. Ny alin’ny zoma hifoha sabotsy lasa teo, nihorohoro tanteraka ny mponina tao amin’ny tanàna antsoina hoe Ankaditehana, ao amin’ny fokontany Avarabohitra, kaominina Ampefy, distrikan’Analavory. Andian-jiolahy maromaro, nirongo zava-maranitra no tonga nanafika ity tanàna ity, nanakotaba ny rehetra tamin’ny alalan’ny feon-kiririoka sy horakoraka. Mazava ho azy fa noho ny tahotra dia tsy...