Alarobia : Vola tamin’ny kitapo nipitika, noraofim-potsiny
Samy nandroaka izay zakany ireo rehetra nahita, eny fa na ireo tao anaty taxibe aza dia nivoaka tao anaty fiara ary niaraka nifandrombaka teo. Samy nangorona izay tandrifin’ny tanany. Zava-niseho tetsy amin’ny Gara Ivandry, tsy lavitra ny lalan-tokana avy any Alarobia Amboniloha iny, hivoaka aty amin’ny lalam-baovao Tsarasaotra, ny herinandro lasa teo. « Mana latsaka », hoy ny rehetra nanatrika tsara ny zava-nisy. Araka ny fitantaran’ireo nanatri-maso, nisy roalahy nitondra...