Ambohibao : Mpamily taxibe mamo, nosamborin’ny zandary
“Rehefa tsy hanaja ny asa fivelomanareo ianareo saofera dia aleo izahay no handray andraikitra hanatsahatra anareo. Rehefa tsy mandaitra intsony amin’ny sasany ny fananarana sy fanasaziana”, hoy ny zandary. Ny andron’ny alakamisy teo, mpamily fiara fitateram-bahoaka iray no voatery nosamborin’ny mpitandro filaminana, noho ny fandikan-dalana maro. Ankoatra ny fibahanana lalam-bahoaka dia mbola mamo teo am-pitondrana fiara ihany koa ingahirainy, raha ny vaovao. “Voasoroka indray ny...