Kalendrie Fodilahimena
Misy amontana, bonsai anefa tsy bonsai, maniry anaty nongotapaka ao an-davarangana. Efa roapolo taona izy no tamana ao. Isaky ny manondraka azy aho, sady talanjona velon-tsiky mijery ny hakanton’ny raviny mitapelaka lehibe kokoa noho ny an’ny aviavy, dia miteny irery hoe «Manao ahoana, Ingahindriana». Fa mahay manavaka ny resaka tsara atao aminy hono ny zavamaniry.Nisy fotoana ihany koa, rehefa nivoaka eo an-davarangana isa-maraina, tetsy Ankadilanana (fa tsy Ankadilalana satria...