Alasora : Navotsotra ireo mpigrevy nosamborina
Tsy niandry ela fa raha vao nilamindamina fotsiny ny fihetsiketsehana dia efa navotsotra ireo mpanao fihetsiketsehana nosamborina tetsy Alasora ny harivan’ny alakamisy teo. Miisa roa izy ireo raha hiverenana kely. Ny alin’iny ihany dia efa afaka nody tany amin’ny fianakaviany. Etsy ankilan’izay, tsy ela koa dia niverina ny rano tamin’ny fokontany sasantsasany teo anivon’ny kaominina. Saingy rano faran’izay ambany ny fandehany, toa nentina namonoana afo fotsiny. Mbola tsy afa-po...