Tsy fisian-drano : Nigrevy Alasora, nisy voasambotra
Tsy mitsahatra ny misintona ny lakolosy fanairana izy ireo kanefa tsy nisy vokany izany. Efa manomboka mifampitaritarika ny mponina ao an-toerana vokatry ny tsy fisian-drano efa ho amam-bolana. « Tsy misy intsony na indray mitete aza, kanefa ange dia tsy lavitra anay i Mandroseza. Tazana avy aty Alasora akory aza ny ranobe » raha araka ny fanehon-kevitra. Vokatr’izany fahasahirana izany omaly dia nihaona tamin’ny mpitantana ny tanàna ny solontenam-bahoaka ao an-toerana mba...