FIZAFAMA : Tokony hatsangana ny distrikan’i Manambondro
Ny alatsinainy 1 aprily teo no nanatanteraka ny fifampiarahabana noho ny fahatratrarana ny taona vaovao ny mpikambana ao amin’ny Fikambanan’ny Zanaky ny Faritra Manambondro (FIZAFAMA). Tetsy amin’ny Cercle Mess Betongolo no nanaovana izany lanonana izany, izay nahitana ireo zanaka ampielezan’ny kaominina valo, dia i Manambondro, Amparihy Est, Fenoambany, Isahara, Marokibo, Mahabe, Sandravinagny ary Vohimalaza. Ankoatra ny fiaraha-mifaly dia fotoana iray koa io nahafahan’ireto zanaka...