Tsarahonenana : Ramatoa hikoizana amin’ny bizina rongony, nadoboka am-ponja
Efa mpamerin-keloka ity vehivavy ity ary mbola izay bizina rongony izay hatrany no efa nampiditra am-ponja azy. Ny alakamisy lasa teo dia mbola tra-tehaky ny pôlisy indray izany ramatoa izany, tetsy Tsarahonenana, tao amin’ny trano fonenany, niaraka tamin’ny rangahy iray, teo am-pivarotana rongony mihitsy. Tamin’ny alalan’ny « loharam-baovao no nahafantaran’ny mpitandro ny filaminana ny fisian’olona mivarotra rongony eny amin’iny faritra iny. Tsy niandry ela moa izy ireo fa...