Andravoahangy Rotsirotsy : Môtô latsaka tanaty lavaka feno rano maloto
Nihosona maloto, hatrany am-paladia ka hatrany an-tampon-doha ! Môtô iray no tratry ny tsy nampoizina ka nifatratra tao amin’ny iray tamin’ireo lavaka mangotanatana, feno rano maloto etsy amin’ny Rotsirotsy, Andravoahangy ambany. Lavaka ao anaty lalana mihitsy moa izy io, ka ho an’ireo tsy dia mahay azy tsara dia mifatratra soa aman-tsara, toy ity lehilahy mpitondra môtô omaly maraina ity. Raha tena nandeha mafy aloha dia mety ratsiratsy fiafara ihany, saingy soa ihany somary mora...