Toamasina renivohitra : Tena tsy milamina ny tanana
Nitrangan’ny vono olona indray tao Salazamay P/elle 14//21 ny alin’ny alatsinainy nifoha talata teo tokony hanodidina ny 10 ora alina. Tovolahy iray mponina ao Salazamay ihany no maty voatsatoka antsy ny alin’io ihany. Manao fiambenana tananam-bazaha ity tovolahy ity, ka niditra ireo andian-jiolahy saika hangalatra tamin’ilay tanana ambenany, dia voatery niantso vonjy izy. Vao nahare izany anefa ireo andian-jiolahy dia nampangina azy tamin’ny tsatoka antsy, ka maty tsy tsa-drano...