Mamavo – Tsaratanàna : Voasambotra ilay miaramila nitifitra raim-pianakavina iray
Zava-doza no niseho tany amin’ny tanàna atao hoe Mamavo, any amin’ny kaominina ambanivohitra Ambakireny, any amin’ny disitrikan’i Tsaratanàna, izany hoe ato anatin’ny faritra Betsiboka, makasika an’ilay mpitandro ny filaminana, natao hiaro ny vahoaka sy fananany, toa lasa mamono ny vahoaka sy ny fananany indray. Voasambotra tamin’ny andron’ny faha-14 febroary taona 2025 lasa teo iny, ilay miaramila mitondra galona kilasy faharoa, nitifitra raim-pianakavina iray, tao amin’ny...