Seranan-tsambon’i Toamasina : Entana 113 tsy misy mpaka hataon’ny ladoany lavanty
Ny alakamisy 12 desambra ho avy izao ny fanaovana ireo lavanty ny entana tsy nisy naka teo anivon’ny seranan-tsambon’i Toamasina, araka ny taratasy laharana 3153/2024/MEF/SG/DGD/DLV/SLR/LEG. Misy 113 ireo entana hatao lavanty ireo, mizara ao anaty kaontenera sy entana misaritaka ary ireo fiara samy hafa. nanangana kaomisiona misahana ity lavanty ity ny ladoany, ahitana ny vadintany mpanao lavanty sy ny eo anivon’ny ...