Sambava : Tovolahy maty tao an-tranon’ny sakaizany
Tranga nahavalalina ny maro no niseho tao Maroambihy II, any amin’iny distrikan’i Sambava iny, ny voalohandohan’ny volana teo. Tovolahy iray, efa tsy nisy aina intsony no hita tao amin’ny tokantrano iray. Raha ny fizahana nataon’ireo mpitsabo dia fijanonan’ny fo tampoka no nahafaty ity farany. Fijanonan’ny fo vokatry ny fihinana ireo akora mampatanjaka amin’ny resaka firaisana ara-nofo, raha ny fizahana nataon’ireo mpitsabo, hoy ny fanazavana azo avy amin’ny mpitandro...