Sakoroka tetsy Mahamasina
Kodiaran-tsarety nipoaka nampisoamaritaka ireo mpanao fihetsiketsehana Tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany latsaka tany ho any dia efa nanomboka ho betsaka olona nitangorona tetsy Mamahasina, ambohimpihaonan’ireo mpanaraka ny hetsik’ireo vondron’ny kandidà 11. Tamin’io fotoana io ihany koa no efa nanomboka tonga ireo mpitandro filaminana avy eo anivon’ny Emmo/Reg, niezaka nanaparitaka ireo olona tonga nitangorona. Mazava ho azy, tsy niala mihitsy moa ireto mpanao...