Analakely : Mpanendaka roa maty voatifitra
Roa lahy izay vao avy nanendaka olona hamonjy fodiana ka nandalo teo Analakely, no nifanehatra tamin’ny polisy nanao fisafoana. Mbola nanohitra sy nampiasa hery izy ireo hany ka tsy maintsy nampiasa basy, raha araka ny fanazavan’ny polisy. Lavo teo ny roa lahy. Vao tamin’iny herinandro iny mihitsy no nampikaikaika ny maro ny tsy fandriampahalemana teo amin’ny boriborin-tany voalohany. Isan’izany ny fanafihana tao anaty taxi-be teo amin’ny tonelina Ambohidahy. Io dia fiara...