RN6 : Fanafihana taksiborosy, voadaroka vodibasy ny mpamily sy ny manampy azy
Efa mampiteny maona sy hampahiratra ny mason’ny jamba ny haratsian’ny lalana any amin’iny lalam-pirenena fahenina iny ankehitriny, ka lasa manararaotra amin’ny asa ratsy ataony, ireo jiolahy malaza amin’ny fanafihana taksiborosy. Raha ny vaovao marim-pototra voaray hatrany dia fiara taksiborosy ao amin’ny kaoperativa » Kofia, » izay manao zotra rezionaly mampitohy an’i Mahajanga sy Manerinerina avaratra no notafihin’ny jiolahy tsy voafaritr’isa mitam-basy, ny alin’ny...