Anjozorobe : Sarintsarina fakàna an-keriny, kartie môbila nadoboka eny Tsiafahy
Vola valo tapitrisa ariary no nokasain’ity zandarin’ala ity nalaina tamin’ny fianakaviany, ka nanaovany sarina fakàna an-keriny ny tenany, ny 17 jolay lasa teo, tao Anjozorobe. Rehefa nandeha anefa ny angom-baovao isan-karazany ary nahetsika avokoa ireo vondron-kery rehetra tany an-toerana nitadiavana azy ka hita soa aman-tsara dia fantatra fa tsy nisy naka an-keriny izany ity farany. Ananan’ny banky vola ny lehilahy ary namorona ity karazan-tsinema ity hangalàna vola amin’ireo...