Andoharanofotsy : Mpiadina bakalorea tratra nanao hosoka
Ny alarobia teo, nandritra ny fanadinana, taranja Fizika, tao amin’ny foibem-panadinana iray tetsy Andoharanofotsy, mpiadina iray indray no tra-tehaka nanao hosoka tamin’ity fanadinam-panjakana bakalorea ity, teny an-toerana. Raha ny fampitam-baovao azo dia tra-tehaka nampiasa finday nandritra ny fanadinana ity farany. Finday, izay raha ny voalaza dia nisy fifampiresahan’ity mpiadina ity, tamin’ny olona tany ivelany, tamin’ny alalan’ny « messenger », nanoro azy ireo...