RN44 : Mpivady niara-maty voafaokan’ny fiara
Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona roa be izao tamin’iny lalam-pirenana faha-44, mampitohy an’i Moramanga sy Ambatondrazaka iny, ny alahady lasa teo. Araka ny fampitam-baovaon’ny namana avy any an-toerana dia teo amin’ny toerana antsoina hoe « lalan-dratsy », 12 kilaometatra tsy hiditra ny tananan’Ambato no nitranga izany. Fiara tsy mataho-dalana iray no nifaoka mpitondra môtô teny an-dalana. Mafy dia mafy ny dona. Nipitika lavitra sy tsy nisy noraisina ny...