KAOMININA ANTSIRABE : Nandray ny fitantanana ny ben’ny tanana Dr Unoh
Tontosa tamin’ny faran’ny herinadro lasa teo tao amin’ny lapan’ny tanana ny fifamidram-pitanana tamin’ny ben’ny tanana nisolo-toerana sy ny ben’ny tanana Honoré Gabriel Rasamimanana antsoina hoe Dr Unoh avy amin’ny vovonana IRMAR. Raha tsiahivina dia vato iray monja no nambara fa nandresen’ity kandida ben’ny tanana avy amin’ny vovona IRMAR ity nanoloana ny kandida natolotry ny Firaisankina Maitre Ravaka, saingy niova izany tamin’ny ora farany nanambarana ny...