Polisim-pirenena Mangarano Toamasina : Tovolahy roa voasambotra nivarotra zava-mahadomelina mahery vaika
Voasambotry ny kaomisaria ao Mangarano tovolahy roa mpivarotra sy mpihazona zava-mahadomelina mahery vaika, “Cocaine”. Araka ny vaovao voaray avy amin’ny olona mpiara-miasa aminy izay tsara sitra-po nanome ny vaovao marim-pototra nahatrarana azy ireo ny polisy. Izay no nahatrarana ny iray tao Ambohijafy, fa ilay faharoa kosa tao amin’ny kianja Lemalady. Tena vela-padrika goavana no natao nahazoana azy roa lahy ireto, ka izao voasambotra soa aman-tsara sy efa miatrika fakana am-bavany...